REHEFA MAMO (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala ah,Rehefa ianao no mamo,
Dia akorontanao ny trano;
Hevoinao tsy an-kijanona...
Nefa izaho ange mba vizaka nandamina!
Dia rehefa ianao koa,
No mamo dia mandoa;
Any amin'ny efitrano samihafa...
Nefa izaho ange mba reraka namafa!
Ary rehefa mamo ianao,
Dia lasa sahisahy,
Mamonovono ahy,
Ka mamolaka ny sandriko...
Nefa ianao ange no mba vady an-defimandriko!
02/01/18
Tamin'ny 7 ora maraina
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina - Fitiavana
Mpakafy:
NpAugust1
