TANDREMO (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny eh!... Any aminao ny hatsarana no mitoetra,Toa tara avokoa 'zay lalovanao rehetra.
Bika sy tarehy tena lafatra tokoa:
Mampitsiry hetaheta sy ventsoventsom-po:
Fa ny hany akia mba teniko,
Soratàko amin'ny peniko.
Dia aza mba maditra mifampitolotolona;
Manadaladala ny efa vadin'olona!
Na dia tambazàny ianao... Omeny kely vatsy;
Dia fadio mihitsy f'izany zava-dratsy.
Tadidio koa fa ny vola anie fitady...
Ka aza miarakaraka amin'ny efa manambady!
Mety ianao ho tiany... Taona anankiray:
Fa rehefa bevohoka dia dakàny amin'izay.
Ka dia eo ianao... Mitoloko ,mahonena;
...Ny hany fanafodiny dia ny manaja tena!
11/08/17
Tamin'ny 1 ora tolak'andro
--------
Rohy:
Mpakafy:
NpAugust1
