TETO ANILAKO (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao nampijaliany,Tsy mba norarahiany.
Nomeny fahoriana,
Nefa olon-tiana...
Nitomany ianao,
Isan'andro lava izao,
Amin'ny ditra izay fanaony,
Sy ny zavatra nataony!
Nijaly be indry,
Nefa retsy aky,
Teto nisy fo,
Nandray an-tanan-droa,
Ny fonao maratra,
Niletika ao an-tratra.
Sady vonona hametra:
Ny jalinao rehetra.
Nefa ianao tsy nila,
Fa namilafila,
Naleonao tomany,
Hijaly be ihany!
10/12/17
Tamin'ny 09 ora alina
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
NpAugust1
