TOROHEVITRA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ianao nitory 'lay fitia tanatinao,Tsy mba nisangisangy ka tena nitalao.
Nanazava tsara ; niezaka niteny..
Indrisy anefa tsy noekeny...
Ka izao ny torohevitra mba lazaiko:
Fitia ho anao ry sombin'ny aiko...
Aza misisika aminy,
Manohy any an-taniny.
Fadio ny tsiaro ary ny tsiahy ;
Sao mantsy ianao dia hoalaim-panahy...
Hanao dia haka ody fitia;
Mba tena sanatria!
Ka aoka ianao hilamina;
Fa ireny mantsy no mampivoaka alina.
Ka mitandremà aby na lehilahy na vehivavy:
Fa io fitiavana io mahalasa mpamosavy!
07/09/17
Tamin'ny 1 ora tolak'andro
--------
Lien:
Fans:
NpAugust1
