TOVOVAVY MAODELY (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry vasoka eo ialahy,Raha manantena ahy:
Hanokam-baravarana,
Hizara fahasambarana.
Ka hanala fitafiana;
Hiakatra am-pandriana.
Nofy anie izany!
Fa esory dieny izao,
Ao an-tsainao ao;
Ny eritreritra miampita:
Hoe: "hiasa i Balita".
Tsy izaho no masiaka,
Fa isika roa ange tsy mbola nohamasinina;
Tsy vita n'inona n'inona:
Mpisipa fotsiny fa tsy hoe: mpivady,
Koa nahoana no hifampitaingina sahady?
05/01/18
Tamin'ny 8 ora latsaka fahefany
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana - Fitiavana
Mpakafy:
NpAugust1
