TSY HO MENATRA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho menatra aho hamindra,
Amin'ity kiraro simba:
Efa feno lavadavaka.
Rehefa avy eo mivavaka.


Tsy ho menatra aho hanao;
An'ireto akanjo feno lao:
Lobaka efa tonta ,
Pataloha rota.
Notsiponiko omaly !


Tsy ho menatra aho satria,
Ireo no misy aty,
Ka anaovako amin'ny foko:
Mba hitsenako an'ilay Tompo!

25/12/17
Tamin'ny 10 ora maraina
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana - Fiainana - Aingam-panahy
148 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112