VAVAKA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay olon-tiako fahiny ry Tompo,Aza avela hijaly na hitoloko.
Fa tsimbino ny ainy;
Omeo 'zay ilainy.
Fa izaho tsy ho faly,
Raha toa izy mijaly,
Na koa maditra ilay tiany vaovao:
Ka vetivety dia lasa handao.
Ka eo moa ry Ray mpahary ny tany;
Arovy ny fony ho mirana hatrany.
Ary ny farany dia:
Inty ny vavaka farany afafiko:
"Aoka izy ho sambatra eo anilan'ny rafiko"!
13/12/17
Tamin'ny 10 ora sy sasany
--------
Lien:
Fans:
NpAugust1
