VONINKAZO MONJA (Np Augustin)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony izy velon'aina :
Tomady fo sy saina ,
Dia voninkazo kely ,
Tsotra toy ireny ;
No mba nantenainy ,
Sady noadradrainy :
Ho azo avy aminao .

Kanefa ianao nandà ,
Nanjary nampahory ,
Tsy nanome akory .
Ilay mba efa kendriny ,
Satria tsy tianao ny endriny .

Fa nefa nony nodimandry ;
Ilay izy sasa-niandry ,
Dia iny ianao fa tamy ;
No sady nitomany :
Nitondra raozy tsara voatra ...
Ka moa tsy tara loatra ?

Fa efa loa ny fony ,
Tsy mitempo intsony .

17/01/18
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
172 1
Fans: NpAugust1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111