ZARAKO AZA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zarako aza ianao,Misangy toy izao.
Manadala izato saiko;
Dia mamikitra ny aiko:
Amin'ity tananao ity,
Dia mba ohatran'ny hoe isika no mpifankatia!
Dia zarako ihany,
Izaho mitomany;
Malahelo sy misento:
Amin'izay ianao mba eto anilako eto.
Mampahery ahy amin'izany fahoriako:
Ka ohatran'ny hoe : ianao no mba olon-tiako!
Dia mba tena zarako,
Mahatonga ny hasambarako.
Rehefa injay madiva;
Ho tonga ilay hariva,
Satria amin'iny lesy;
Ny nofy no mandresy...
Ka amin'izay aho,
No miaina sy mahita,
Ny fiarahantsika!
11/12/17
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo
Fans:
NpAugust1
