Ilay takarivan'ny foko (Ny solo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
R' ilay takarivan'ny foko
Eto mantsy isika eto izao
Ny fo be fisento, feno toloko.Nilaozan'olona.
Fa tsy tsara soratra hono izao sy anao

Misengy ny malama loha mantsy ijy ireny
Ka manao setroky ny kitay nangatahina
Tsy mba miherika ny nahazoana teny
Kanefa mba mitafy salaka am-balahana

Handao antsika koa izao,Ingahibe masoandro
Mahatsiaro babangoana ny atin' ny tany
Hembona sy hanina no hiravoravoana
Fa ny irery takariva no ahatsiarovana an'izany

Ry ilay diavolana mamiratra foana
Indrisy ny foko mikombna lava
Bitsiho raha tazanao izy mba hihaona
Fa ianao no hany sisa mba fanantenana

Ry kintana baliaka manangoly ny foko
Sambattra ianareo fa tsy misy mpanaloka
Ndeha mba herezo ny fo mitoloko
Ka ampio ry zareo fa misedra ny sarotra

O ry alina, mpanjakan'ny fahanginana
Fehezinao avokoa izao rehetra izao
Hainao va re ny ody ny fo, feno akivina
Ny kamboty mahantra mba valionao
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana - embona - Alahelo
1247 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny solo
Inséré par : Ny solo
Date : 28/09/2015 07:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142