Rera-po (Papango )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reraka aho mitia anao fa efa impiry very maina
ny ezaka rehetra atao toa vao mainka mampangaina;
tambitamby sy ny sisa, mody ekenao eto imasoko
sarintsarim-paradisa, nefa ny ambadika tsy tantiko.

Hainao ny misaron-tava, misarisary ho tena tia,
mody miramiran-dava rehefa anilako ety,
safosafo sy ny sisa, mody omenao an'ito nofoko
kanefa lainga tsy hita isa no atsentsinao ny sofiko.

Mitia hafa izato ianao fa tsy mijanona amiko ihany,
isan'andro vaky izao, ny sainao lasa any aminy any,
dia mifanoratra ianareo, ny tafatafa tsy mba tapaka !
Ankehitriny aho leo, sasa-poana aho, tena valaka !

Reraka aho mitia anao, amin'iza no hitaraina ?
Ny ezaka rehetra atao, mainka koa mandreraka aina
Ny tambitamby sy ny sisa efa nozarainao aminy
Tsy misy intsony paradisa, tsy tsapa intsony ny hamaminy.

Papango 20-01-26
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
122 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Papango
Inséré par : Papango1
Date : 14/06/2026 06:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111