Vaky loha (Papango )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vaky lohaReraka aho ry sombinaiko
Amin'ny zava-drehetra misy
Ny ao am-poko sy ao an-tsaiko
Tena hipoka "indrisy".
Teny feno alahelo
Teny feno hakiviana
Mafy ity tsiambaratelo
Be dia be ny fanahiana.
O ry Zanako malalako
Ho aiza izao ny diantsiaka
Ny ranomaso ve ho tanako
Isika ve mbola ho tafita ?
Hatreto aloha izaho mivoady
Fa hiezaka hanasoa anao
Raha tsy antenaina ange ilay vady
Dia hoefaiko ny azo atao.
Papango, 25-06-26, 19:30
--------
Lien:
