Ditra sisa (R.N.Judie)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miangavy anao aho mba valio re ny tenikomiangavy aho vakio re ny diam-peniko
Diso fanantenana aho raha nilaozanao
ka "ditra sisa" no vokatr'izao
aza omenao tsiny aho raha ilaza izany
satria izany no etrakatrak'ny tany
izaho tsy ho anao, ianao tsy ho ahy
ka "ditra sisa" no atao mba tsy hamonoana ny fanahy
ianao anefa
toa lasa nilefa
nilefa tsy tana
tsy tana, lasana
ditra sisa no hany mba haiko
mba tsy hahafoizako ny aiko
dia miangavy anao aho aza omenao tsiny
noho iny antony iny
R.N.Judie
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana