IZY INY... (Rainmbah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZY INYIzy iny !
Toa torova sy kivy, fa mahatsapa fa mizotra amin’ny lalana tsy izy,
Izy iny, toa misaly sy mibaby fanenena,
Nefa tsy mahita intsony izay lalan-kiverenana.
Nefa izy iny !
Mbola manana fitiavana miavosa, tiana homena ny tontolo,
Saingy kosa,
Noho izy iny ! Toa torovana sy kivy, izay mahatsapa fa mizotra amin’ny lalana tsy izy,
Dia koboniny ny fony,
Ho entiny aiza ny fitivany ?
Ho entiny any an-koatra angamba raha izato fihazakazany.
RANDIAMAHERIMANANA Fanomezantsoa
--------
Lien:
Catégorie :
Hambom-po - Fitiavana - Fisarahana - Fiononana - Fiainana - Fahatsiarovana - Fahantrana - Eritreritra mandalo - embona - Alahelo
Fans:
endrika01
Commentaires
endrika01
(
11/07/2009 07:12)
Tsara kah!