Halaviro ny hakiviana (RalMich)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivadibadika ny andro,lelon-jaza 'lay masoandro.
Oram-baratra indraindray,
rahampitso mahamay.
Miovaova ny fotoana,
ny andro, ny alina eo foana.
'Lay sakaizan'ny taraina
hodimbiasan'ny maraina.
Ranomasina ny fiainana
ka noho ny herin'ny fisainana,
ny onja 'ndray no mahamanina
'reo tantsambo matianina.
Koa misikina, mitsangana,
tanteraho 'reo fikasana !
Ny fandresena hasambarana
raha toa ka nisasarana.
RalMich
Antananarivo, 20/03/2022
--------
Lien:
