MALALA (RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aza mety ianao ry tiako, hoe ho tototra ny lavaka efa ela nohadiako
na hivadika ny lakana hiampitan'ny faniriako
na ho solafak'eny andalana, ka tapaka ny diako
fa be ireo mikiasa, andrava ny antsikaroa
ho sasatra izy ireny, iala maina avokoa
satria ny antsika, dia efa orim-bato
fitiavana mafonja, hery zato isan-jato
ianao malala, ilay tsilo hafa kely
nanindrona ny foko, tsy hanadino velively
ny fitsikinao, izay mitoetra ato am-poko
mamafa alahelo, mandroaka ireo toloko
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana