Embona (randjy)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mbola tsy hitako aza ianao ,
Fa ny angolam-peonao
Amin’ny antso an-tarobia ,
Dia efa nambabo sahady ity foko te ho tia .

Eny na dia lavitra aza ianao
Any ambadika tsy tazana ,
Lasa embona aho androany
Mba hamaky ny vinany ,ka hanandrana hitazana .

Fa ny andro iavianao
Toa tsy andriko intsony ,
Angamba ny oroky ny molotrao
No paradisako tsy hisy intsony
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana
3409 0
Commentaires
bichette ( 18/08/2004 09:58)

hi hi hi !!!!!!! dia tantarao hoe nanao ahoana ny tohiny, alefaso amin'ny hafatra e !
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : randjy
Inséré par : randjy
Date : 22/03/2004 13:50
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206