Fandresena (Ranir-tsioharana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisainana madioNy tsikiko anio
Fandresena no amafisiko
Tsy ho neniko ny latsa
HAmalonako ny lasa
Hibanjinako ny ampitsoko
MAHERY AHO
Fikirizana tsy very
Ny ho avy misitery
Fanantenana mangarahara
Hisatrohana ny adidy
Tsy hilofika na ho kivy
Hikarohana ny tsara
MAHERY AHO
Hery ho ahy tanjoko
Tsy hilofika ny ho aviko
Fandresena no andrandraina
Fady ho ahy ny mitaraina
Fahamarinana no tarigetra
Fandresena tsisy fetra
--------
Lien:
Catégorie :
Fandresena - Ady
Fans:
zotsioharanaranir