Tsy misy vidiny ny tsiky (raozy2)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy vidiny ny tsiky, Ary koa tsy mila tambiny
Ary azonao zaraina, Eny na ireo izay ambiny
Fa ilay tsikinao zinara, ilay sombin-tsiky iny
Dia efa hanamaivan-danja, ireo loza s’ireo tsiny

Tsy misy vidiny ny tsiky, nefa ny hafanana entiny
Dia efa ampy hampisava, ireo jaly sy ny pentiny
Fa ilay tsiky toraky ny fo, na dia fohy fiserana aza
Dia efa ampy hahafongana,ilay tezi-po mivazavaza

Tsy misy vidiny ny tsiky, nefa ny fizarana izany
Dia efa ampy hamafana, ireo potraka tomany,
Fa ilay tsiky izay nafoy, nomena tsy nilàna setriny
Dia hampivadika ilay jaly, k’ilay faly hody ventiny

Tsy misy vidiny ny tsiky, ka itambezoako anao,
Ndeha mba izarao izany, ny manodidina anao
Fa raha tsiky maromaro, no iarahana mizara
Dia mino aho fa tena ho betsaka ,ny fiainana no hihatsara
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1216 1
Fans: mangamaso
Commentaires
Nirilala ( 06/08/2009 01:56)
Marina tokoa izany raozigasy. Tsy ny hafa ihany no sambatra rehefa mahita anao mitsiky fa ny tenanao indrindra koa.
mangamaso ( 06/08/2009 06:37)
Misaotra anao raozigasy,
Na tsiky kely monja aza dia ampy
Hanambelombelomana saina sy fanahy
ari.malala ( 06/08/2009 12:04)
Tsiky iray natolotrao
Nampihiratra ny androko
Tsiky teo imolotrao
Nampipoaka ny masoandroko...
endrika01 ( 08/08/2009 04:05)
Tsy misy vidiny ny tsiky,sa ny tsiky iray tsy voavidy vola!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : raozy2
Inséré par : raozigasy
Date : 05/08/2009 17:39
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132