AZA MANADINO!!! (RATRA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MANADINO!!!
...
(Ho fahatsiarovana ny 8éme promontion (prom IRAY) tao amin'ny cours TOLOTRA tao Fianarantsoa izay lasa lycée Tolotra (LYPRIT) ankehitriny)
...
.
Efa voalahatra fa ny fiandrohana
dia tsiky santatr'irony fiarahana
Ary efa voatendry fa ny fiafarana
dia senton'ny onjan'ny fisarahana
...
Fa ny fiarahana dia misy mandimby
toy ny alina mandimby ny andro
Ary ny mamy dimbiasi-mangidy
'zany ny fiainan'ny ambany masoandro!!!
...
Koa raha tonga ity ny ora iray
'zay nitambatra tsy maintsy hisaraka
'reo nifampitafa sy nifandray
tsy maintsy hifamela tsy afaka hiaraka
...
Eny! Mangidy sy mafy izany
saingy zakaina tsy misy arakaraka
Dia VELOMA!! Mampamangy any
'zany no fonosin'ilay rano miraraka
...
Dia izany tokoa moa ny fiainana an-tany
ny lasa rehetra ovany ho tantara
Ary ny fiarahana mamy aok'izany
dia faranany amin'ilay kopa-mosoara??
...
Eny! 'zany mantsy izy
ny hafaliana avadiny ho saona
Koa isika mahereza fa aza kivy
fa any andro iray mbola hihaona!!!
...
Koa avia,ianareo namako
etsy orofako,fihiniko koa
Mba henoy ny feoko ka raiso ny tanako
Ka etsy isika hifamihina,hifamihina tokoa
...
Ary ny hany mba hafatro hono
dia mianara tsara,ny ho avy banjino
Eh!!! Dia veloma,veloma daholo
dia veloma AZA MANDADINO(....)!!!
.
avy tamin'i RATRA
'lay poetakelinareo
.
--------
Lien:
1637 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RATRA
Inséré par : Maintsondratra
Date : 22/09/2016 11:18
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144