TANGORONGORONA (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANGORONGORONA Tangorongorom-parasy,
tsy ilaina fantarina akory
hoe aiza no misy azy be
satria ireny tsy mahay mihafy
fa rehefa ny alika no matory,
izy ireo miasa anelan'ny fe.
Tangorongoron'alika,
fihaonana sarotra idirana;
monomonona sy hiakiaka
no mameno azy ka manahirana,
fivoriana tsy hitondrana mody
fa efa vitan'ny orokoroka.
Tangorongoron'ny vitsika,
fatim-biby iaraha-minday;
asa miaraka tsy ilàna lisitra
fa iombonan'ny tsirairay.
Tangorongoron-tantely,
miara-miasa hamorona mamy;
nefa tsy izy ireo velively
no hisitraka izany andro any.
fa ny tangorongoronareo,
mba toa inona loatra?
ny sasany mampiaka-peo,
misy koa ireo mampidera foitra,
misy milaza ho miketrika
hay fika manangana efitra,
misy milaza ho miasa
hay fangoloka sy mpanambaka
dia mampitangorom-bahoaka
hatao kaly sy hatao tohatra,
rehefa sarotra ianareo mitsoaka
dia izy ireo no lasibatra.
RAVO
--------
Lien:
Fans:
TosakaMg
