TEBOKA (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEBOKA Teboka no farany namarana ny sorany;
teboka nilaza fa tsy hisy intsony tohiny;
teboka tsy niandry hisian-tsorabaventy;
teboka mamaritra fiainam-betivety.
Dia ny hafa no nametraka teboka manontany;
satria hoe te-hahalala izay anton'izany;
sady te hamantatra izay mety ho tohiny
ka namonto soratra tanatin'ny rohiny.
fa nisy koa ireo hafa naniry mba hanoratra
ny hany fahagagany ka nampiasa tsoraka.
izany rehetra izany dia teboka avokoa
fa ny endrika isehoany no miovaova aloha.
Ravo na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy
Fans:
TosakaMg
