ADY SEZA (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zara lova Hono ho’aho ry Gasikara,
Gasikara tany mamiko,
ianao no antoka ho anjara
lova ho an’ny ho aviko;
nefa he jereo ity ianao
fa viravirain’ny olona,
nopotehiny tsotra izao
dia milaza izy hoe mitolona.
Hono ho’aho ry Gasikara,
inona he no hantenaina:
fomba ve sa koa fiteny,
sa ilay tany karankaina?
Ny tena mahalasa ny saiko
Dia izay ho rafitra hajoro,
moa hanandratra anao
sa vaomainka hampikoro?
Hono ho’aho ry Gasikara,
moa mbola misy ao aminao
mahatahiry ny tantara
sady vonona hihavao?
Raha mbola fahefan’ny ngeza
Hentina hiady seza
Na politika tsy manjary
Hanimbana anao ihany
No voatahiry anatinao
Dia izao :
onena anao aho ry taniko
fa tsy hanan-dova ireo zandriko.
Ravo na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Lien:
Fans:
TosakaMg
