Tempon'ny fo (Jeankely Razafimamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lay sentoko nangina,tsy hitadidy ny efa lasa;Nataoko ho ahy manokana anaty fo mivay;
Nosaronako fanàla,noheveriko voasasa,
Nefa indro tojo anao ka niverina indray.
Nilaza aho ho mafy tsy hahatsiaro ny efa ela;
Nihazahaza hatrany izay ho solon-toeranao,
Kinanjo sendra anao ka bada indray ny lela;
Hiova indray ny tempo tsy ho hety izay atao.
Gikaiko eran-tany mba ho ren-danitra!
Fa mbola tiako ianao, anio hatramin'izay;
Raha eny hoy ianao,izaho dia ho finaritra;
Fa ny fitiavantsika anie ka ho mandrakizay.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana