V I T A (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho any intsony isika hioty voankazo
Eo an-tsahan’ilay tontolo maro loko
Tsy ho any intsony isika hihira reny vazo
Nampiakatra ny vetso raha sendra nifamofo

Tsy mety intsony aho hamboraka aminao
Lay foko nanantena niandry anao satria
Tsy resy intsony aho na potraka sy lao
Ka vatranao alentik‘am-poko ny jalin’ny fitia

Tsy hanova intsony isika fa ny sitrakao hefao
Dia tsakarao,tanterao fa aza mierika akory
Tsy hanosok’aho na tritra aza lay voady zay natao
Ho tononkira mirasedra amin’ny alina fitory

Tsy ho any intsony isika e! tsy ho any f’efa vita
Tarangana lay fo nitempo ho iray
Tsy ho any intsony isika e! tsy ho any f’efa ritra
Maina karakaina lay fitia nomenao ahy

Ka raha lasana any ianao sy iny olon’iny
Tsy afaka hanaraka ny foko zay malia
Fa nokatsanao ny ora sy ny fotoana nifandimby
Nosoloinao bambaray reo lokon’ny fitia

Novonoinao mba ho faty, ny afo zay narehitro
Nototofanao alin-dratsy ny fara-vodilanitro
Nadarabokao lay fetra nifaharako, ka indro efa mby
Am-panariana aina lay vongana FITIA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1452 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : Rhad
Daty : 27/11/2012 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141