Amiko (riso lalason)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amiko dia tokana ny zavatra mba fantatro
manomboka androany
tsy misy n'iza n'iza ankoatra anao intsony
miaina eto an-tany


nenjehiko ny nofiko, dia indro f'efa takatro
anaty habaka any
ka volana baliaka no tsinjony eny ambony
milaza ny hatsaràny


voarafiny ho sary anaty raho-milalao
endrikao mitsiky, rakofakofam-bolo
rehefa injay ny vetsoko miantefa any aminao
ongotany hanainga ny foko manontolo
...ny amiko tontolo
--------
Lien:
1918 3
Fans: Zozoro - hery - mangamaso
Commentaires
mangamaso ( 27/07/2009 17:32)
Nofy manja izany :-).
ralaxa ( 04/02/2011 08:25)
Misaotra betsaka an'i Mangamaso

Mankasitraka


Riso Lalason
http://lalason.eklablog.com
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : riso lalason
Inséré par : tslem
Date : 14/06/2007 05:59
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139