Angamba (rjd)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injao mitaraina tsy mety mitonyMitady ny anjarany ka tsy hangina
Ty fo babangoana, mandraika, milony
Onena ty banga handraisany tiana
Toa zaza tsy tiana giazam-patorana
Maniry hanana fiainana vao
Toa efitra miandry handray ranonorana
Hamelombelona ny aina efa lao
Ny mamy kanefa, toa tsy ho an'ny vava
Ny rano maria, tsy ho an'ny efitra maina
Ty foko voaforona hisento lava
Satria tsy natao ho ahy ianao sombin'aina...
Angamba ny sento hidify daholo
Ireo voronkely hikalo hira vao
Hiravaka hafaliana indray ny tontolo
Raha azoko atao e... ny mitia anao.
--------
Lien:
Fans:
karako