Ampidiro aloha ny tenimiafina
SAINGY (RMLYDIA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka ny hitsoakaNofehizina mba tsy hivoaka
Niniana nakipy mba tsy hahita
Noterena mafy tsy hitsiriritra
Nokobonina tsy hiseho
Narovana tsy hisy feo
Hoe halevina mandrakizay
Fa nandoro ka tena nahafay
Saingy! Indro fa nipoitra mora
Toa vao mainka tsy voavolavola
Nitsiry indray ka namelana
Niroborobo tsy hay noferana
Mbola tsy maty ilay afo nanazava
Toa nanjelatra teny amin’ny tava
Tsy namela ny fo hangina
Fa nanesika ireo faniriana
Saingy! Mbola irery hatrany
Ilay ray tsy nahatsapa izany
Nandona tapany ka nomena erany
Tsy voasolo fa mbola ao ny toerany
Nanjary nisy fanantenana nitsiry
Io indray ilay fo fa naniry
Saingy hatramin’izao dia nangaina
Eny! Hiezaka hanamboatra saina
Nosoratan'i RMLYDIA : LE 23 SEPTEMBRE 2010
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
