AMBANIATSIMO (RN.alpha)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBANIATSIMO

Efa samy tany na i Doda na i Peto
Taoarinan' ery nary sy ry joro ery atsimo,
I Bary aloha nilaza inin-droa aloha hatreto,
Raha tsy tany koa i Koto dia nilaza ho tsy mba nino

Tatitra no reko fa toa tsara hono ny any
Hoatrany hoe toa paradisa kely ery raha ny tantara.
Nihitatra malalak' hono izao ilay akany
No efa tsisy fady intsony koa 'lay faritra voarara.

Ry Kemba sy ry Dera zao no efa miomakomana
Dia mety anaraka azy indray ry tolotra sy Tsito
Ry Doda efa tany moa nilaza fa tsisy olana
Malalaka ilay toerana raha mbola hiampy fito.

Tsy mba niala fotsiny fa tena vaky sakana
Ilay Ambaniatsimo mamikelinay fahiny
Natao filomanosana, fa vaky zary hantsana
Ilay vovo kely roa mba fatsakana tamin'iny.

RN ALPHA
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
57 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143