HAFA KELY (RN.alpha)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA KELY

Talanjona ny maro ny amin'ny toetranao ry tiana,
fa mantsy toetra miavaka sy tena hafa kely,
Izay nahataza-maso dia tsy nisy tsy mba liana,
Fa na i koto jamba dia nidongy mba hijery.

Tapitra nitsiriritra anao ireo mpandalo,
Niaiky ny rehetra fa ianao dia tonga lafatra,
Nanaiky ny ho babo na sakaiza na fahavalo,
Ny akantonao ry tiana noariana tsy ho takatra.

Fa tsara toa naningana amin'ny maro sy ny vitsy,
raozy fotsy maintso hany tsapa tena niavaka
mpandemaka ny avoana, manapaly sy mahitsy.
naningana fa kanto, tsaratsara samy ravaka.

Na ketraka na faly, foana foana miran'endrika.
Indrindrindra rehefa tezitra voamay mahate hijery.
Fa na ibermida dia tsy sahy akory andrendrika
Raha vao mahita ny hendrikao ry tiana hafa kely.

Na toetra, na hendrika, fijery sy ny bika,
dia kanto sy koa meva, izay no lazanao niely,
Ny lesokao hatreto dia tsy nisy mba nahita;
fa tototry ny kanto, sy ny toetra hafa kely.

Raha mety ianao ry tiana, ndeha hitsidika tsy handalo,
ilay akany kely be ronononay sy neny,
Any ianao iantsako ity andalan-tononkalo,
nomenao lohateny, hoy ianao hoe "HAFA KELY"

RN Alpha
09/07/2024
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
75 1
Fans: AmjraPraise
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RN.alpha
Inséré par : AmjraPraise
Date : 24/09/2024 20:52
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142