NAONDRANA (RN.alpha)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAONDRANA

Raha ny ahakanto dia lafatra ianao
Raha ny bika tsy asiana tsikera
Fari-piainana tonga dia ao
Fa ny toetra ny misy kilema

Tsinotsinona akory izay bika
Zava-poana ny ahatsaran-tarehy
Fa raha ilay fahendrena no tsy hita
Dia ho potika ny hoavin'ise

Nahininao nariana ny hasina
Efa hita fa sarotra harenina
Dia ny tokony iseho no miafina
Fa mianjahanja ny tokony hafenina

Zazakely tsy mahavita tena
io koa no sahady maniry filana
Ka menatra sy mahaonena
Ny ray aman-dreninao eto an-tanana

Akory tsy hoe tsy voahanatra
Fa... nivika ny lala-natoro
Niafarany natao sesitany
Ho isan'ny zanaka tambanivolo

RN ALPHA
--------
Lien:
41 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017