VAHAOLANA HOANAO (RN.alpha)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAHAOLANA HO ANAO

Miady mafy angaha ianao no toa dia migogogogo?
Raha mila fifaliana, etsy andeha midodododo
Hiaino poezia, tsara rafitra sy rindra
Niangalina hampifaly, tononkalo rasa rindra.

Malahelo ve ianao? Etsy anie raha te hitony,
Misy namana poeta, ndeha ireny no hatony
Any misy zava-tsoa, any misy fifaliana;
Ny poeta iresahana raha mila fanampiana.

Mijaly ve ianao sy toa iangaran'ity fiainana?
Misy namana any hoany afa-mandre ny fitarainana.
Ireo poeta ireo, iresao dia tantarao;
F'ireo no azoko antoka ahavaha ny olanao.

Mijaly ara-pitiavana sy koa voadona foana?
Misy lafatra any ho anao, sao dia matimaty foana
Amin'ny toky mahajamban'ny fitia tsy tsara toavina.
Fa raha te ho sambatra sy koa hifaly foana, poeta indray tiavina.

RN ALPHA.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
62 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149