Tafahoatra (RODER)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tafahoatra”

Mbola kely loatra
Ireo vatanao aseho,
Tena efa tafahoatra,
Fa tsy fahalalahana intsony izao.

Iza moa no tsy hanao
Raha fironana etỳ an-tany?
Fa ny anao tafahoatra loatra,
Mampitontonga, mampahonena saina ihany.

Tsy maika hiteny aho,
Fa voatery mitsikera,
Satria lasa fisehoseho
No heverina ho fahendrena.

Tsaintsaino kely ange,
Alohan’ny hitondrana feo,
Anontanio ny ray aman-dreny,
Raha mbola atao hoe manan-jo.

Inona no nolovaina?
Inona no tiana haleha?
Fa izaho tsy hitady hanaratsy,
Fa hanaitra sao very lalana koa ianao anie.
--------
Lien:
Catégorie : Tsikera - Fananarana - Fiainana - Fitiavana
57 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117