Tampoka Tamiko (S.g)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMPOKA TAMIKO


Tampoka tamiko ilay zava-niseho
Ianao manko tsy mba niafina fa tena niseho
Fantatrao tsara fa tena tiako ilay zazavavy
Ary nanam-pikasana aho ny haka azy ho mariazy

Ianao ilay namako noraisiko ho rahalahy
Nefa dia sahinao tsisy ahiahy
Ny namadika ankitsirano izao ahy
Sanatria anefa raha izaho no hanao anao ho rafilahy

Ianao izay nanebaka sy nanaratsy azy
Ary tena marina izay fa tsy vazivazy
Fa hoe tena sipa tsy azo antoka izy iny
Izaho anefa nihevitra azy ho tsisy tsiny

Fantatro fa tena mpinamana isika
Nefa izao nifampaka sipa
Ianao izao no nahazo azy
Ka dia afoiko hatreo ilay ho nataoko mariazy

Tsara tso-drano ianao ry rahalahy
Fa izaho tsy hanao anao ho rafilahy
Tiavo izy ka ampahitao ny tsara
Fa raha ny amiko dia izao angamba no Anjara!


S.G 27/04/16
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1241 1
Fans: tohindraza
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : S.g
Inséré par : tohindraza
Date : 29/06/2016 09:19
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146