Mizanam-piainana (Samaritanina)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alina mety hangina
Natokana mba hatoriana
Fa raha ny fo sy ny saina
Tsy mba afaka ny maka aina

Ireo alina vao tena miasa
Mitepo sy mandefa sento
Mandinika zava-kinasa
Misaina sy mivetsovetso

Ny saina mandinika mafy
Mieritreritra izay mety hatao
Ny fiainana izay maro lafy
No tsara raha mba mihavao

Ny fo etsy ankilan’izany
Mivetso mangina ny kanto
Manombana ny hatsarany
Mandravina sy mampilanto

Ny vatana mijoro ho andry
Milanja ny fo sy ny saina
Miezaka mba ho tafandry
Fa ny alina miha maraina.

Fitaovam-pandanjana ahafahana miaina, ny fampiasana ny fo sy ny saina!

Samaritanina
09/04/2016
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
983 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Samaritanina
Inséré par : delmote
Date : 09/04/2016 09:52
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141