" ty ataonao! " (Sedra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifoka ianao, dia misotro toaka ;Tsy miraharaha ny masom-bahoaka ;
Ianao anefa vao tonga any any an-trano;
Rehefa voaadina dia mitantara angano.
Ny fiainantsika hoy ianao fohy loatra,
Na izany aza anefa ny anao tafahoatra;
Tsy mba avadikao ho zavatra tsara,
Izao ataonao izao anie ka voarara!
Aiza ve ka atao daholo izay mahafa-po,
Tsy hankieritreritra na ratsy na soa,
Tsy misy tsy atao izao rehetra izao,
Ny hafarany anefa hamotika anao!
Vao tonga ny hariva, masoandro mena
Hitako ianao mandehandeha eny an-tsena
Mitoditodika etsy , dia mitoditodik'eroa
Tsy mba mitotaly, tsy mba mivaky loha.
Tratra ianao ny alina mangalatra akondro,
Ny ampitson'iny ianao rehefa voatondro;
Dia lazainao fa tsy ianao tsy akory,
Fa ny olona no sady mandeha no matory.
--------
Lien:
Fans:
Arimalala