Avia ho eto anilako (Sombiniaina Rakotoarivony)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao ry lay tiako, izaho aty manina anao
Kanefa ny mba faniriako, dia ny hitoetra eo anilanao
Fa dia nahoana loatra re, no tsy eto anilako ianao
Mampanitany tena hoe, hadisoako ve izao

Tsapanao tokoa angamba, ny fitiavako anao
Mba avy eto akaikiko, mba miangavy raha azo atao
Avia mba manantona raha manam-pitokisana
Fa ny tanjon-tsika roa dia hanakatra ilay kintana

Aza mihaotra ianao raha toa ka tena tia
Ny hamitaka anao tsy ho ataoko. Sanatria!!
Tiako loatra ianao, ry malala ka tsy foiko
Ka hanapan-kevitra aho, ny hanolotra ity foko

Tsy hanararaotra ilay fitia no hiantsoako anao
Fa hanolotra ity tenako mba ho malalanao
Izay lay teny indraim-bava izay avy aty am-po
Mba raiso re rahavako ilay fitiavako mifoha
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1735 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Sombiniaina Rakotoarivony
Inséré par : Las
Date : 08/05/2015 13:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0108