Dada (Sombiniaina Rakotoarivony)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada, niaritra ny mafy ianao
efa atramin'ny ela ka hatram'izao
nikaroka ny soa, nitady ny lafatra
ho anay avy koa, nikolo sy nananatra

nanitsy sy niteny anay ianao
refa tsy tsara sy tsy nety ny atao
mba tsy hivilivily lalana
nanisy fefy tsy azo hihoarana

eny, nitia anay tokoa
tsapako eto izany no ny zava-tsoa
natolotrao ho anay
maromaro fa tsy iray

tsaronay ireny ry dada malala
fisaorana no hatolotray tsy antsalasala
ny hirinay sy hatolotray izao
misaotra ry dada, ho ela velona ianao
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1773 1
Fans: Las
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Sombiniaina Rakotoarivony
Inséré par : Las
Date : 19/06/2015 06:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141