Zandry a ! (Tsiky Andrian)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a?ianao hono toa kivy raha nahandre fa lasa izy.
Sady toa mitady hamoy fo noho ny fiainana mangidy
Zandry a,mapitandrina aho mapitraka satria ny iray minitra sarobidy,
Ka aza varina mandany andro mandinika an' izay lasa sy tadidy.
Fa avalony any avelao anaraka anazy,
Reo tantara niaina anareo raiso ho vazivazy
Aza atao atsaina akory, fa avelao izy andeha
Sao dia anjary sorisory ,ka ampy dominé.

Ny fiainana no hiaino ka angalao fafiny
Fa adinoy tanteraka any na ny endriny na ny fitafiny.
Ataovy toy ny tsy nisy ireo niaina anareo fahiny.
Fa ny ho avy no mbanjino dia hatsarao ny ankehitriny.

Aza manozina azy, fa tsofirano izy
Mba tsy ho tratrin'ny sampona ka tsy anjakan' ireo kirizy,
Satry tsy anjara ny anareo dia avelao ivalona any.
Fa tsy izany no atao apitanondrika na koa apitomany.

Zandry a,asehoy anazy fa ianao ko mahavita azy.
Aza manaiky domineny fa angalao korazy
Ireo teny zany nandratra nataony tamin'izany
Dia raiso ho fitaovana entina mitraka hatrany.

Tsiky Andrin le 06 sept 2023 in Jordanie
--------
Rohy:
563 1
Mpakafy: TsikyAndrian
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Andrian
Nampiditra : TsikyAndrian
Daty : 04/10/2023 20:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0106