TOKIM-PITIAVANA (Kazary2006)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alina mangina
Azavain'i'ny volana
Ny fo variana
Azavain'olon-tiana

Lanjam-pisainana
Ny fitiavana izany
Onjam-piainana
Ny sento sy ny tomany

Entiko mitraka
Ny herim-poko
Tsy atakaloko ny hafa
Ny malalan'ny foko

Izaho sy ianao
Dia mpifankatia
Raha mbola amin'izao
Tsy hanary anao aho satria ..

Manome hery ho ahy
Mba hataoko vatry
Ho an'ilay fanahy
Ao anatiko mantsy

Tairiziko ho tantara
Ny lasantsika roa
Ny fitiavana voarara
Tsy ho amintsika koa
Fa ireo no tsy anjara
Dia lavitra antsika tokoa

Fa mandeha izao
Ny sedram-pitiavana
Fa izaho sy ianao
Mbola hifampitantana
Tsy ho eto avao
Fa ho any amin'ny fiafarana
Ka ny ao an-tsaiko ao
Mbola ilay fitiavana
Izay hiarahako aminao


FK MAHAVITA :05/10/2025
_______kazary_______
--------
Lien:
387 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012