IKALA SOA (TSIRY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IKALA SOA

Ela niandrasana, ela nirina
Ka tojo tokoa, tojo ny tiana
Dia faly ny saina, ravo ny fo
Tiako dia tiako, tiako i Soa

I soa no anarany, ho ahy ny tantarany
Kanto sy meva ary tena faneva
Ny bika, fitafy hatramin'ny fanahy
Tambatra kanto, natokana ho ahy

Manja ka manja, manja an'izany
Nahatonga ahy hisento sy hamafa tomany
Sambatra Lita fa tena nahita
Ilay fotsy bikana, tsy misy tomika

Ho entiko hamarana izany tantarany
Manasa anareo mba hihaino ny farany
Fa rehefa izy izay no milanto fitily
Mahaiza mandeha, mahaiza mamily

TSIRY
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
865 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : TSIRY
Inséré par : tsiryharena
Date : 01/07/2013 19:54
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133