Mitady namana (Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy mitsikera ny safidinao aho raha manoratra ity tononkalo ity, fa velom-panontaniana: fitiavana sa lamaody?Mitady namana
Ny fahoriana hono ry lahy mahazaka maniraka
Ka manararaotra tokoa ireo izay be mpamitaka
Mba hialana amin’ity atao hoe tsy fisiana
Hamidy ny tanindrazana dia mitsaoka mangina
Ny sasany kosa dia tena lasa lavitra ny sainy
Ka mpanelanelana na mpanera mpivady no hainy
Dia io mihintsy no ataony anton’asa fivelomana
Hisarihana ireo izay mikatsaka leo fitolomana
Katalaogy iray no sendra tazako tany ho any
Ka nahafinaritra ahy ireo takelaka feno modely
Fa raha sendra ilay telo farany aho izany
Dia tena gaga amin’ireto manao vazaha toa anjely
Fa ny tena nahatalanjona sy mampiteny ny moana
Dia ity vehivavy iray vatombatony ihany raha ny taona
Toa vonona tanteraka toa tsy misy ahiahy
Nefa koa dia mihaotra sao sembana rahalehilahy
Dia nozahako ilay pejy, nalalaliniko, ka zendana aho
Manonofy tokoa ve , sa mba kilalao sy sangisangy
Ka raha ny fanisako dia folo, roapolo ny malagasy tao
Rehefa zohina ilay izy dia tsy mba vandivandy
Tsy sanatria mitsaratsara na mitsikera izay atao
Fa ilay hery nanentana no mampieritreritra kely
Ny fiainana ve, samia manao izay tiany atao
Fa aza heverinao fa any ivelany tsy misy afa tsy tantely
Ao tokoa ny sendra ilay volamena , vatosoa
Voatondraka hatramin’ireo mpiray –tampo
Ka voakolokolo tsara toa voninkazo manitra
Ka inona no lazaina moa ve tsy mahafinaritra
Fa maromaro ihany ireo izay naniry fiadanana
Ka misavorovoro na fanahy na saina, ka mitaraina
Satria ilay nantenaina fa ho namana fitiavana
Dia tena goaika sy biby tokoa ka zary toa nangaina
Ka akory atao nilaozana ilay akany niavina
Dia voatery misotro rano mangidy tsy tiana
Dia tsy maintsy mihezaka mampahery tena mangina
Sa izay ilay hoe, ny nenina tsy aloha fa aoriana
Ny any azonao atao raha, sendra ilay ratsy ianao
Dia hanaro ireo zandrinao na malagasy toa anao
Mba tsy ho azon’ny nofinofy hoe paradisa
Kay ilay tany nohevina ho soa mahafeno disadisa
Eny tokoa ,ankoso-bolamena,mamiratra jerena
Noheverina kanto sy soa ilay firenena
Kanjo ilay sary mahafinaritra anaty boky
Dia natao fotsiny mba hanomezan- toky
Raha ny tena marina , faniriana tsy takatry ny vintana
Ilay sary paradisa , fiainana , fiadanana feno kintana
Dia tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka
Sainga rehefa roso lalina dia aleo tsy milaoka
Sao varivarian’ny lavitra ka manary ny efa nihary
Ny safidy ange tsy an’olo fa an-janahary
Izay ve no heverina fa hahasoa ny ho avy
Ka nahoana no tsy maintsy misara-mianakavy
--------
Lien:
Fans:
NyKanto
Commentaires
Anjoroma
(
27/01/2013 05:42)
Lalina loatra ity tononkalo ity, satria betsaka tokoa ny zavatra efa tsapan'ny mpanoratra nefa nozakainy izany, tsy ampiambahamba !
Feli
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vaoarilala Andriantsifanetra RakotoarijaonaInséré par : nofinofy
Date : 10/06/2004 21:40