Fanalahidy ny fitiavana (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Velaro ny tsikinao
Ary akopahy mafy dia mafy
Mba handehanan'ny heriny
Anyamin'ilay tsy tody

Veleso mafy ny fonao
Ary aza hatrahatra mihintsy
Mba hanakoan'ny faniriany
Mandra-pahalady ilay marenina

Ny fiteny sy ny fihetsika indray
Ataovy toa irony tantely afa-drakotra
Vao avy nalaina tamin'ny mitataovovonana
ka sady malefaka no mamy

Iza no olona tsy hotakatra amin'izany
Na ny trondro vaventy aza hitsingevana
Ka ianao indray angambany no hiavonavona
Toy ny mpatsaka tatr'orana
--------
Rohy:
15341 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141