Ireo nihoaran'ny vintana (Voromailala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voatery tsy fidiny
Ireo tsy manam-bitana
Hampiasa ny sidiny
Hametrahany ny fintana

Hanjono ilay andriambavilanitra
Izay mba handrian'ny fony
Kanefa kinga sady ranitra
Ilay olona hojonoany

Na dia ho lany aza
Ny pejin'ny andro
Dia maro 'reo tsy nahàza
Ilay solo-masoandro

Mihà toy ny vatolampy
Vitan-tsianjerin'hazavana
no mahazo ireo tsy ampy
Harena na hatsarana
--------
Rohy:
4141 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098