Tsy hiafiako (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noh o ny fitiavana matotra
No nahatonfa ahy hoy toy ny vero
Kanefa toa nitsahina sy nafaotra
Ka nangidy toa ranon'afero

Mpanjaka angaha moa ianao
No manitsakitsaka toy ny mpanositany
Manao izany tiana hatao
Amin 'reo izay nilefa ho ambany

Sao mihevitra ianao ry diso fiadidiana
Fa tsy manantsiny toy ny laona ny aty
Ka hitotoana zay mety akotri-pifaliana
Ka hijaly toy ny mpangataka sanatria

Rehefa mampifila ny ahy
Hitsoahako malaky
Tsy hasiako hatsaram-panahy
Fa hatontoko dia vaky

Tsy asiako teny maro
sao lazaina vavan'ny tsy nahazo
Izaho koa tsy be kabaro
F'andana mandeha andana mahazo :-)
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Fitiavana - Fisarahana
4711 1
Mpakafy: voromailala
Hevitra mandeha
Crionlas ( 03/08/2009 11:17)
Courage les e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142