Nosoloinao (just_a_dream)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nilaozan’olontiana, mahatsiaro tena ho irery
Mahonena sy mijaly, toa mafy izany manjo
Nanantena fahasambarana, kanjo alaelo no nianjady
Ilay fitiavana nianteherana toa tsy nahitana vokatsoa

Raha mba fantatrao manko fa mila hipoka ny ao ampo
Mahita anareo roa, miaradalana sy mifankatia
Nomenao azy mantsy ilay toerako taloha
Noporofonao mafy tamiko fa foana ilay fitia

Foana teo ilay “izaho sy ianao” izay noreharehana
Satria ilay fitiavantsika mbola nataonao kilalao
Ilay fiharahana koa noketrehinao ho faranana
Nolovan’ny hafa ilay fitiavana nokoloin’tsika hatrizay

Tsy ankahala anao, no ampandroso ahy angmamba
Amboariko ny saiko mba hanadinoko anao
Amboariko iany koa ny foko satry ny antsika tsy anjara
hionona aho, Anadino anao tanteraka ary iova fo vaovao
--------
Lien:
1168 1
Fans: younja
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : just_a_dream
Inséré par : younja
Date : 02/07/2013 15:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138