Ilay nantenaina (Wong f.g)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao vao tsapako ny ambadiky ridaoNy ao anatiny nafenina hahajamba ny ivelany
Izao vao tsapako fa izaho dia kilalao
Nahita iray vaovao izy dia izaho no navelany
Tsy fahalalana ny fahadisoam-panantenana
Tsy fahalalana tokoa satria sahy nijoboka
Nanaiky ka izy nireharehana
Nefa injay fa nanatona ireo zana-tsipika arahin'afo tsy henatra hitomboka
Matetika ny varatra mikendry ny foko
Nalamatra izy ka feno fiarovana
Niaro ny fanantenana sy toky
Tsy nisy voakitika fa nolalolalovana
F'izao nisy nangalatra ilay nantenaina
Nisy nanafina ka indro izy tsy hita
Niezaka nitady fa herim-po very maina
Hery sisa no angonina hafahana miampita .
~ Wong f.g ~
11/06/22
--------
Lien:
Fans:
Wongfeiging813