MBOLA HO TIA (Yhardina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ho rojoina vy aza ny tanakoHo rantsanana mihintsy
Dia ny vavako mbola hiventy hira
Hikalona ho anao ry tiana
Na ho akombona sy paingorina
Ity vavako miantsa
Ny nifiko no hikatrakatraka
Hiventy ilay fitiavana
Na ho anjambaina aza ny masoko
Eny, ho kapain-doha
Ny foko mbola hiboika anaty
Hibada ny anaranao tsy lany
Na ho kendrena aza ny aiko
Na efa vovoka aza aho
Ny fanahiko no hidradradradra
Ny mbola tia re ry malala
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana