Fijery vaovao (zoky)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa-taona lasa tsy nanampina,
no nahalalako anao ry Tina.
Tsikitsiky avy hatrany,
no nasetrinao ahy tamin'zany.

Miramirana isan'andro,
safosafo na alina na andro.
Tambintamby isan'ora,
horokoroka ts halalana ora.


Ny ady lava toa ts hita,
rah nisy aza hodian-tsihita.
Fa samy te hitolo-tena avy hatrany,
ho samy diso hatranihatrany.

Nivadika ny ora,ny andro ny volana ny taona,
ts nanakana antsika mbola hifampitaona.
Fa ts toy ny teo aloha,fa fijery hafa koa,
nivoaka avy ao am-po sy nanodina ny loha

'lay tsikinao fahiny,
ts hita intsony ankehitriny.
Toa zary lasa maso vilana,
molotra mivilambilana
no nasetrinao ahy hatrany
'lay foko mila hanihany.

kapoka marary
sy tsongo mankandratra
no nasolonao lay safosafo
zay tena nahazatra.

Nefa 'sika sahy mivetso isan'andro lava zao,
dia mbola samy tia hatrany na izaho na ianao.
kay ilay fitia hananantsika
hatramin zay ka hatramin 'zao,
ts maty akory fa niova endrika,
ka ilaina fijery vaovao.


Dia mbola mifankahery foana isika,
ho any taona maro mbola ho avy.
Ka hitombo ho avo zato heny,
'lay fitia ts mety ho lany.

Hiaraha-ntsika mikolokolo,
'lay fitia mora miova loko.
Tsy ho avelan-tsika haka loko hafa,
afa ts 'lay lokom-pitia efa nahazatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1705 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : zoky
Nampiditra : zoky
Daty : 17/04/2008 10:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009