LAKAN-JAHATRA (ZOZORO)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAKAN-JAHATRA

Dia gaga ianao satria lakan-jahatra hono
Tofoka aza moa fa hoe: ho entina manjono
Kanefa tsy mahatanty ny onjan-drano akory
Fa maivana ka hilentika hanjary hampahory

Fafazan'ny alon-drano mantsy ilay lakan-jahatra
Ka tsy ho tody akory amin'ny lalana voalahatra
Fa hizarazara maro eny anivon-drano lalina
Raha niainga vao maraina, mbola eny sasak'alina

Ka honjohonjonao irery no nifanehatra ny mafy
tsisy olon-kantenaina ka niaritra ny gafy
Gafin'ity onjan-drano miraondraona mahatahotra
Nanapotika ity lakan-jahatra efa reraka sy vahotra

Lakan-jahatra a! potika sy ravarava,rotridrotikin'ny onja
Natsingevangevan-drano ny hany sisa potipotiny
Ka ny maraina no hita teny ambony tora-pasika

Lakan-jahatra a! hazo iray nandrohy azy sy zahatra iray monja
No mba hita teny ho eny, tsy ho antenaina hisy fotony
Ireo no hany sisa nangonina ka atambatra ho hafantsika

Indrisy anefa fa tsy mety atambatra
Ka rava teo ilay lakan-jahatra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1456 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 05/08/2011 07:09)
? ? SIOKATOKANA
SIOKATOKANA ( 08/08/2011 05:28)
mial tsn @ zozoro fa MPANAZARY no tokony ho mpanoratra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101